Leviticus 19

Didy maro samy hafa

1Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe: 2Mitenena amin’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, hoe: Aoka ho masìna ianareo, satria masìna Aho, Jehovah Andriamanitrareo. 3Samia matahotra ny reninareo sy ny rainareo, ary tandremo ny Sabatako: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. 4Aza mivily hanaraka ny andriamani-tsi-izy, ary aza manao andriamanitra an-idina ho anareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. 5Ary raha mamono zavatra hatao fanati-pihavanana ho an’ i Jehovah ianareo, dia ataovy amin’ izay hankasitrahana anareo izany. 6Amin’ izay andro amonoanareo zavatra hatao fanatitra sy amin’ ny ampitson’ ny no hihinananareo azy; fa raha mbola misy sisa tratry ny andro fahatelo, dia hodorana amin’ ny afo izany. 7Ary raha hanina amin’ ny andro fahatelo izany, dia ho fahavetavetana ka tsy hankasitrahana; 8fa izay mihinana izany dia ho meloka, satria nanamavo ny zava-masin’ i Jehovah izy, ka dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny izany olona izany. 9Ary raha mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo, dia aza jinjana avokoa ny eny an-tsisiny; ary aza tsimponina izay latsaka avy amin’ ny vokatrao. 10Ary aza otazana avokoa ny eo amin’ ny sahanao, ary aza tsimponina izay latsaka eo amin’ ny sahanao; fa avelao ho an’ ny malahelo sy ny vahiny izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. 11Aza mangalatra, aza mamitaka, aza mifandainga. 12Aza mianian-tsy tò amin’ ny anarako, na manamavo ny anaran’ Andriamanitrao: Izaho no Jehovah. 13Aza manao an-keriny amin’ ny zavatry ny namanao na mampahory azy; ny karaman’ izay nokaramainao aoka tsy hitoetra ao aminao miloaka alina. 14Aza miteny ratsy ny marenina na manisy zavatra mahatafintohina eo anoloan’ ny jamba; fa matahora an’ Andriamanitrao: Izaho no Jehovah. 15Aza manao izay tsy marina amin’ ny fitsarana; aza miandany foana amin’ ny malahelo, na mena-maso ny lehibe; fahamarinana no hitsaranao ny namanao. 16Aza mandehandeha manaratsy eo amin’ ny firenenao; aza mitsangana handatsaka ny ran’ ny namanao: Izaho no Jehovah. 17Aza mankahala ny rahalahinao amin’ ny fonao; mananara dia mananara ny namanao, mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy. 18Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin’ izay iray firenena aminao: fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao: Izaho no Jehovah. 19Tandremo ny didiko: Aza avela hilomy amin’ ny hafa karazana noho izy ny biby fiompinao; aza fafazanao voan-javatra roa karazana mifangaroharo ny taninao; ary aza mitafy lamba natao amin’ ny zavatra roa samy hafa karazana mifamahofaho. 20Ary raha misy mandry amin’ ny andevovavy izay voafofon’ olona ho vadiny, ka tsy voavotra na voavotsotra ho olom-potsy ravehivavy, dia hofaizana izy roroa, fa tsy hatao maty, satria tsy olompotsy ravehivavy. 21Ary ho entin-dralehilahy ny fanati-panonerany ho an’ i Jehovah ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, dia ondrilahy iray hatao fanati-panonerana; 22ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy amin’ ilay ondrilahy hatao fanati-panonerana, eo anatrehan’ i Jehovah, noho ny fahotana izay nataony; dia havela izany fahotany izany. 23Ary raha tonga any amin’ ny tany ianareo ka mamboly hazo fihinam-boa, dia hataonareo ho toy ny tsy voafora ny voany; telo taona no hataonareo ho toy ny tsy voafora izy ka tsy hohanina; 24ary amin’ ny taona fahefatra dia ho masìna ny voany rehetra ka hatao fanatitra hiderana an’ i Jehovah; 25fa amin’ ny taona fahadimy vao hihinana ny voany ianareo, mba hitomboan’ ny fahavokarany ho anareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. 26Aza homana zavatra misy rà; aza manao sikidy na manandro. 27Aza manety ny sisim-bolon-dohanareo, ary aza manaratra ny vaokanao. 28Ary aza mitetika ny tenanareo noho ny maty, na manao tombo-kavatsa amin’ ny tenanareo: Izaho no Jehovah. 29Aza mampijangajanga ny zanakao-vavy hampahaloto azy, fandrao hijangajanga ny tany ka ho feno fahavetavetana. 30Tandremo ny Sabatako, ary hajao ny fitoerako masìna: Izaho no Jehovah. 31Aza mivily hanaraka izay manao azy ho tsindrian-javatra, na mitady saina amin’ ny mpanao hatsarana, hahaloto anareo aminy: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. 32Mitsangàna raha eo anatrehan’ ny fotsy volo ianao, ka manajà ny tavan’ ny anti-panahy, ary matahora an’ Andriamanitrao: Izaho no Jehovah. 33Ary raha misy mivahiny aminao eo amin’ ny taninareo, aza manao sarotra aminy. 34Ny vahiny eo aminareo dia hataonareo tahaka ny tompon-tany aminareo ihany ka ho tianao tahaka ny tenanano; fa efa mba vahiny tany amin’ ny tany Egypta ianareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. 35Aza manao izay tsy marina amin’ ny fitsarana, na amin’ ny fandrefesana, na amin’ ny fandanjana, na amin’ ny famarana. 36Mizana marina, vato marina, efaha marina, hina marina, no hotananareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta. 37Ary tandremo ny didiko rehetra sy ny fitsipiko rehetra, ka araho izany: Izaho no Jehovah.
Copyright information for Mg1865